-
1 Mpanjaka 18:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana,+ ny kitay, ny vato, ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.+ 39 Nahita an’izany ny olona rehetra, ka niankohoka avy hatrany sady niteny hoe: “I Jehovah no tena Andriamanitra! I Jehovah no tena Andriamanitra!”
-
-
2 Tantara 7:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nahita an’ilay afo nilatsaka sy ny voninahitr’i Jehovah teo amin’ilay trano ny vahoakan’Israely, ka niondrika tamin’ny tany teo amin’ilay tokotany vato sady niankohoka ary nisaotra an’i Jehovah, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.”
-