- 
	                        
            
            Genesisy 17:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
12 Ary tsy maintsy forana ny zazalahy rehetra feno valo andro eo aminareo,+ hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, na teraka tao an-tranonao izy, na novidim-bola tany amin’ny firenen-kafa fa tsy anisan’ny taranakao.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Genesisy 21:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
4 Ary noforan’i Abrahama i Isaka zanany rehefa feno valo andro, araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.+
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Lioka 2:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
21 Rehefa feno valo andro ilay zaza ka tonga ny fotoana hamorana azy,+ dia natao hoe Jesosy ny anarany. Izany mantsy no anarana nolazain’ilay anjely talohan’ny nisiany tao am-bohoka.+
22 Rehefa tonga ny fotoana fidiovana araka ny Lalàn’i Mosesy,+ dia nentin’i Josefa sy Maria niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’i Jehovah,*
 
 -