-
Levitikosy 9:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Taorian’izay, dia novonoiny ny omby sy ilay ondrilahy atao sorona iombonana, izay atolotra ho an’ny vahoaka. Ary nomen’ireo zanakalahin’i Arona azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara.+ 19 Fa ny tavin’ilay omby+ kosa, sy ny rambo matavin’ilay ondrilahy,* sy ny taviny manarona ny tsinainy, sy ny voa, ary ny jabora eo amin’ny atiny,+ 20 dia nataon’ireo zanakalahin’i Arona teo ambonin’ny tratran-kena. Dia nodoran’i Arona mba hidona-tsetroka teo ambony alitara ireo taviny rehetra ireo.+
-
-
2 Tantara 7:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia nohamasinin’i Solomona ny teo afovoan’ny tokotany, teo anoloan’ny tranon’i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny fanatitra dorana+ sy ny tavin’ny sorona iombonana. Tsy antonona teo amin’ilay alitara varahina+ nataon’i Solomona mantsy ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha+ ary ny tavin’ireo sorona.+
-