-
Genesisy 17:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Hotanterahiko ny fifanekena ataoko aminao+ sy ny taranakao, izany hoe ny taranakao sy ny taranany rehetra mifandimby. Fifanekena mandrakizay izany, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao handimby anao aho.
-
-
Eksodosy 6:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo aho.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay hanafaka anareo amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina anareo.
-