FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 20:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny anabaviny, na amin’ny zanakavavin-drainy na ny zanakavavin-dreniny, ka hitany ny fitanjahan’ilay vehivavy ary ilay vehivavy koa mahita ny fitanjahany, dia manala baraka izany.+ Tsy maintsy haringana eo imason’ny zanaky ny fireneny izy mianadahy. Manala baraka an’ilay anabaviny* izy, ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.

  • Deoteronomia 27:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny anabaviny, na amin’ny zanakavavin’ny rainy, na amin’ny zanakavavin’ny reniny.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’

  • 2 Samoela 13:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: “Ento atỳ amin’ny efitra fatoriana ilay sakafo,* mba hihinanako an’ilay izy avy eny an-tananao.” Dia nalain’i Tamara ireo mofo miendrika fo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnona anadahiny, tao amin’ny efitra fatoriana. 11 Rehefa nitondra an’ireo mofo tany aminy anefa i Tamara, dia nosintoniny mafy be izy ka nilazany hoe: “Avia hanao firaisana amiko, ranabavy.” 12 Hoy anefa izy taminy: “Tsia, ranadahy! Aza manao izay hahafa-baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany.+ Aza manao an’izany zavatra mamoafady izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara