-
Deoteronomia 20:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 18 Sao izy ireo hampianatra anareo hanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka hahatonga anareo hanota amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+
-
-
2 Mpanjaka 16:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary 20 taona i Ahaza tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+ 3 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo+ mihitsy aza izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.
-