-
Deoteronomia 12:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tandremo anefa sao voafandrika hanaraka ny fanaon-dry zareo ianao, rehefa aringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehanao ry zareo. Aza manontanintany momba ny andriamaniny, hoe: ‘Mba ahoana àry no fanaon’ireo firenena ireo rehefa manompo ny andriamaniny ry zareo? Mba hanao hoatr’izany koa aho.’+ 31 Rehefa manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo kosa ianareo, dia aza manao hoatran’ny fanaon-dry zareo. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah sy halany daholo mantsy no ataon-dry zareo amin’ny andriamaniny, fa na ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dorany ao anaty afo ho an’ny andriamaniny.+
-
-
2 Tantara 36:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary nivadika tanteraka tamin’Andriamanitra ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny vahoaka, sady nanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny firenena hafa. Nolotoin’izy ireo koa ny tranon’i Jehovah,+ izay efa nohamasininy tao Jerosalema.
-