-
Levitikosy 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Aza manao toy ny ataon’ny olona any Ejipta, izay nipetrahanareo. Ary aza manao toy ny ataon’ny olona any amin’ny tany Kanana, izay hitondrako anareo.+ Aza manaraka ny fanaony.
-
-
Levitikosy 20:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Izao no holazainao amin’ny Israelita: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty na iza na iza manolotra ny taranany ho an’i Moleka, na Israelita izy na hafa firenena monina any Israely.+ Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.
-
-
Jeremia 32:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ koa izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany+ anefa aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao an’izany zava-maharikoriko izany, ka hoe hahatonga ny Joda hanota.’
-