6 Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo+ teo amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma izy.+ Nampiasa herin’ny maizina+ sy nanao sikidy sy nilalao ody koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao zava-dratsy be dia be teo imason’i Jehovah mihitsy izy mba hampahatezitra azy.
31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+