-
Levitikosy 20:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Izaho mihitsy no hanohitra azy ka handringana azy tsy ho eo amin’ny fireneny. Nisy natolony ho an’i Moleka mantsy ny taranany, ary nolotoiny ny toerako masina,+ dia nozimbazimbainy ny anarako masina.
-
-
Jeremia 19:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala koa izy ireo mba handoroany ny zanany ao anaty afo, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Bala.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho na niresaka an’izany taminy, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.”’+
6 “‘“Koa ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay tsy hiantsoana an’ity toerana ity intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma, fa hoe Lohasaha Famonoana.+
-
-
Jeremia 32:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ koa izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany+ anefa aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao an’izany zava-maharikoriko izany, ka hoe hahatonga ny Joda hanota.’
-