-
Nomery 15:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “‘Ary raha manao fahadisoana ianareo, ka tsy manaraka an’ireo didy rehetra nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy ireo, 23 izany hoe izay rehetra nandidian’i Jehovah anareo tamin’ny alalan’i Mosesy, ka tokony harahinareo nanomboka tamin’ny andro nanomezan’i Jehovah an’izany didy izany sady tokony harahin’ny taranakareo fara aman-dimby, 24 ary raha tsy fanahy iniana ilay fahadisoana sady tsy fantatry ny vahoaka, dia hanolotra vantotr’ombilahy iray ho fanatitra dorana ny vahoaka manontolo mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. Dia hampiarahiny amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro izany, araka ny efa fanao.+ Hanolotra zanak’osy iray koa izy ireo, hatao fanatitra noho ny ota.+
-