FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 15:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Hamasino ho an’i Jehovah Andriamanitrao izay lahy voalohan-teraka rehetra amin’ny omby aman’ondrinao.+ Aza ampiasaina izay voalohan-teraky ny biby fiompinao,* ary aza hetezana ny volon’izay voalohan-teraka amin’ny ondry aman’osinao.

  • Deoteronomia 15:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Aza atao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao anefa ilay biby raha manan-takaitra, izany hoe raha malemy tongotra na jamba, na manana takaitra hafa ratsy be.+

  • Deoteronomia 17:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Aza atao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny omby na ondry manan-takaitra na misy kilema, satria maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao izany.+

  • Malakia 1:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Rehefa manao sorona biby jamba koa ianareo, dia miteny hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!” Ary rehefa manolotra biby kilemaina na marary ianareo, dia miteny hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!”’”+

      “Mba andramo aterina any amin’ny governoranao ange ireny e! Dia ho faly aminao ve izy na handray tsara anao?”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Hebreo 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 mainka fa ny ran’i Kristy!+ Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an’Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan’ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon’ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany*+ intsony isika. Amin’izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.+

  • 1 Petera 1:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 fa tamin’ny ra sarobidy+ kosa, dia ny ran’i Kristy,+ izay toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsininy sy tsy misy pentina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara