FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 13:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Hamasino* ho ahy ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita. Ahy ny lahy teraka voalohany, na olona izany na biby.”+

  • Eksodosy 22:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Izao no tokony hataonao amin’ny omby aman’ondrinao:+ Tsy hosarahina amin’ny reniny izy mandritra ny fito andro, fa homenao ho ahy kosa izy amin’ny andro fahavalo.+

  • Nomery 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy izay lahy teraka voalohany rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.”

  • Nomery 18:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Ho anao daholo koa ny voalohan-teraka amin’ny zavamananaina* rehetra+ hatolony ho an’i Jehovah, na olona izany na biby. Tsy maintsy havotanao anefa ny voalohan-teraky ny olona,+ ary havotanao koa ny voalohan-teraky ny biby maloto.+

  • Nomery 18:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ny lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy ihany no tsy havotanao+ fa masina. Hafafinao eo ambony alitara ny rany,+ ary hodoranao ny taviny mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara