FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 32:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka ny ampitson’iny: “Efa nanao fahotana lehibe ianareo. Koa hiakatra ho any amin’i Jehovah aho izao mba hahitako raha afaka mangataka famelan-keloka ho anareo aho.”+

  • Levitikosy 16:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Tsy tokony hisy olon-kafa ao amin’ny tranolay fihaonana, manomboka amin’ny fotoana idirany ao mba hanao fandrakofam-pahotana ao amin’ny toerana masina ka mandra-pivoakany avy ao. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany, sy ny an’ny ankohonany,+ ary ny an’ny fiangonan’Israely manontolo izy.+

  • Nomery 15:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Dia handrakotra ny fahotan’ny Israelita rehetra ny mpisorona, ka havela ny helok’izy ireo.+ Tsy fanahy inian’izy ireo mantsy ilay fahadisoana, sady izy ireo koa efa nitondra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah sy fanatitra noho ny ota eo anatrehan’i Jehovah noho ilay fahadisoany.

  • Efesianina 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Io Zanany io no nampiasaina mba hanafahana antsika amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, ka nahazoantsika famelan-keloka+ noho ny rany.+ Tena lehibe mantsy ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.

  • Hebreo 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Tsy maintsy lasa hoatran’ireo “rahalahiny” tamin’ny lafiny rehetra+ àry izy, mba ho lasa mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Amin’izay izy dia ho afaka hanolotra sorona fampihavanana,*+ dia sorona noho ny fahotan’ny olona.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara