-
Levitikosy 3:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny ampahany amin’ilay sorona iombonana:+ Ny taviny+ manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 4 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+ 5 Hodoran’ireo zanakalahin’i Arona eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny fanatitra dorana izay efa eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo.+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+
-