-
Levitikosy 7:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny heloka:+ Zavatra masina indrindra izany. 2 Hovonoina eo amin’ny toerana famonoana an’ireo fanatitra dorana ny fanatitra noho ny heloka, ary hafafy+ eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.+ 3 Hatolotr’ilay olona ny taviny rehetra amin’ilay fanatitra,+ dia ny rambony matavy,* sy ny taviny manarona ny tsinainy, 4 ary ny voa roa sy ny taviny eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+
-