-
Eksodosy 29:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia alaivo ny taviny+ rehetra manarona ny tsinainy, sy ny jabora eo amin’ny atiny, ary ny voany roa sy ny taviny eo amboniny, ka dory mba hidona-tsetroka eo ambony alitara.+ 14 Fa ny henan’ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy kosa dia hodoranao any ivelan’ny toby. Fanatitra noho ny ota ilay ombilahy.
-
-
Levitikosy 4:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “‘Hesorin’ilay mpisorona avy eo ny taviny rehetra amin’ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 9 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+
-
-
Levitikosy 8:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.+
-
-
Levitikosy 8:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Notetitetehiny ilay ondrilahy, ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voatetitetika ary ny jaborany.*
-