FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 29:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia alaivo ny taviny+ rehetra manarona ny tsinainy, sy ny jabora eo amin’ny atiny, ary ny voany roa sy ny taviny eo amboniny, ka dory mba hidona-tsetroka eo ambony alitara.+ 14 Fa ny henan’ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy kosa dia hodoranao any ivelan’ny toby. Fanatitra noho ny ota ilay ombilahy.

  • Levitikosy 3:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny ampahany amin’ilay sorona iombonana:+ Ny taviny+ manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 4 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+

  • Levitikosy 6:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany. Hanampy kitay eo isa-maraina ny mpisorona,+ sady handahatra ny fanatitra dorana eo amboniny. Ary hodorany eo ambonin’ilay afo ny tavin’ny sorona iombonana mba hidona-tsetroka.+

  • Levitikosy 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nanatona teo amin’ny alitara avy hatrany i Arona, ka namono ny zanak’omby atao fanatitra noho ny ota, izay natolotra ho an’ny tenany.+

  • Levitikosy 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny tavin-kena sy ny voa ary ny jabora teo amin’ny atiny, izay samy avy tamin’ilay fanatitra noho ny ota, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara