-
Jeremia 12:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Varimbazaha no nafafin’izy ireo nefa tsilo no nojinjainy.+
Reraka be izy ireo nefa niasa maina fotsiny.
Ho menatra izy ireo noho ny vokatra azony,
Satria tezitra be i Jehovah.”
-
-
Hagay 1:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Mamafy voa be dia be ianareo, nefa kely no jinjainareo.+ Mihinana ianareo nefa tsy voky. Misotro divay ianareo nefa tsy afa-po. Manao akanjo ianareo nefa tsy mba misy mafana. Ary izay mikarama dia mametraka ny karamany ao anaty kitapo loaka.’”
-
-
Hagay 1:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tsy nandatsaka ando taminareo àry ny lanitra, ary tsy nanome vokatra ny tany.
-