- 
	                        
            
            1 Mpanjaka 13:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
2 Dia nanameloka an’ilay alitara ilay lehilahin’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jehovah, ka niantsoantso hoe: “Ry alitara ô, ry alitara ô! Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy zazalahy ho teraka avy amin’ny taranak’i Davida. Josia+ no anarany. Hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana avo, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amboninao. Ary handoro taolan’olona eo amboninao izy.’”+
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            2 Mpanjaka 23:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
8 Nasain’ny mpanjaka nivoaka avy tao amin’ny tanànan’i Joda avy eo ny mpisorona rehetra. Ary nozimbazimbainy ny toerana avo nandoroan’ny mpisorona fanatitra mba hidona-tsetroka, hatrany Geba+ ka hatrany Beri-sheba,+ amin’izay dia tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Noravany koa ny toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna, izay eo ankavia raha miditra avy eo am-bavahadin’ny tanàna.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            2 Mpanjaka 23:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
20 Ary nataony sorona teo ambonin’ireo alitara ny mpisorona rehetra teo amin’ireo toerana avo ireo. Nandoro taolam-paty teo ambonin’ireo alitara ireo+ koa izy. Dia niverina tany Jerosalema izy avy eo.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Ezekiela 6:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
5 Hatsipiko eny anoloan’ireo sampiny maharikoriko ny fatin’ny vahoakan’Israely, ary haparitako manodidina ny alitaranareo ny taolanareo.+
 
 -