FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Dia hihorohoro daholo ny firenena rehefa mahita an’izay manjo anao, ary hesoesoiny sy hataony fihomehezana* ianao, any amin’ny firenena rehetra hitondran’i Jehovah anao.+

  • Deoteronomia 29:22-24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “Rehefa mahita ny loza sy ny aretina halefan’i Jehovah amin’ity tany ity ny taranaka handimby ny zanakareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra,—23 fa ho hitan’izy ireo hoe ho ravaravan’ny solifara sy ny sira ary ny afo mandoro ilay tany manontolo ka tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry, hoatran’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah satria tezitra be izy sady nisafoaka— 24 dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: ‘Maninona io tany io no nataon’i Jehovah hoatr’izao?+ Fa maninona izy no tena tezitra be?’

  • Jeremia 18:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa hanjary hihorohoro ny olona mahita ny tanin’izy ireo,+

      Ary hisioka haneso azy io mandrakizay.+

      Ho tsiravina izay mpandalo rehetra mahita azy, ka hihivingivin-doha.+

  • Fitomaniana 2:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mitehaka maneso+ anao daholo izay mandalo eo amin’ilay lalana.

      Gaga izy ireo dia misioka+ sy mihivingivin-doha mahita an’i Jerosalema zanakavavy, ka milaza hoe:

      “Io ve ilay tanàna nolazaina hoe ‘faran’izay tsara tarehy sy mahafaly ny olona rehetra eran-tany’?”+

  • Ezekiela 5:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ho afa-baraka sy hesoesoina ianao,+ ary ho anatra sy hampihorohoro an’ireo firenena manodidina ny zavatra manjo anao, rehefa ampihariko aminao ny didim-pitsarako. Ho tezitra sy hisafoaka aho amin’izay, ary hanasazy mafy anao. Izaho Jehovah no efa niteny.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara