-
Levitikosy 6:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara. 15 Ny iray amin’izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran’ny tanan’ila avy amin’ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin’ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin’ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra* mba ho santionany* amin’ilay fanatitra ho an’i Jehovah.+ 16 Ary hohanin’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra.+ Hanamboarany mofo tsy misy lalivay izany, ary hohaniny ao amin’izay toerana masina. Eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.+
-
-
1 Korintianina 9:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tsy fantatrareo ve fa izay manao asa masina ao amin’ny tempoly dia mihinana an’izay zavatra ao, ary izay manompo tsy tapaka eo amin’ny alitara dia mahazo anjara avy amin’ny alitara?+
-