-
Nomery 32:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Ireto àry no nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ zanak’i Josefa: Ny fanjakan’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita sy ny fanjakan’i Oga+ mpanjakan’i Basana, izany hoe ny tany ao amin’ireo tanàna ao anatin’ireo faritra ireo, ary ny tanàna any amin’ny faritra manodidina.
-
-
Deoteronomia 3:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Tamin’izay dia nalaintsika ho antsika ilay tany, manomboka eo Aroera,+ eo akaikin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ny antsasaky ny faritra be tendrombohitr’i Gileada. Nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita ny tanàna tany.+ 13 Nomeko ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa ny ambiny amin’i Gileada sy ny faritr’i Basana manontolo, izay anisan’ny fanjakan’i Oga.+ Tanin’ny Refaima no nahafantarana ny faritr’i Argoba manontolo, izay anisan’i Basana.
-
-
Josoa 13:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:+
-