5 Ankoatra izany, dia hataoko ampamoaka* izay mandatsaka ny ranareo na ny ainareo. Hataoko ampamoaka ny zavamananaina rehetra mandatsaka ny ranareo. Ary hataoko ampamoaka izay olona mandatsaka ny ain’ny rahalahiny.+
14 Raha tezitra be amin’ny namany ny olona iray ka manao fanahy iniana mamono azy ho faty,+ dia tsy maintsy hovonoina ho faty izy, na dia tsy maintsy haka azy eo amin’ny alitarako aza ianao.+
13 Tsy tokony hiantra azy ianao,* fa esory eo amin’ny Israely ny heloka vokatry ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny.+ Amin’izay dia handeha tsara ny fiainanao.