FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 15:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia nampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ny Israelita rehetra, ka faly sy nihorakoraka be+ sady nitsoka anjombona sy trompetra+ ary nampaneno kipantsona. Notendren’izy ireo mafy be koa ny zavamaneno fitendry sy ny harpa.+

  • 2 Tantara 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 dia efa nanao akanjo vita tamin’ny lamba tena tsara daholo ny Levita mpihira+ notarihin’i Asafa+ sy Hemana+ sy Jedotona+ sy ny zanak’izy ireo ary ny rahalahiny. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa koa ireo Levita ireo. Nitsangana teo atsinanan’ny alitara izy ireo, niaraka tamin’ny mpisorona 120 izay nitsoka trompetra.+

  • 2 Tantara 7:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nijoro teo amin’ny toerana tokony hisy azy ny mpisorona tamin’izay, ary teo koa ny Levita nitondra ny zavamaneno nanaovana hira ho an’i Jehovah.+ I Davida Mpanjaka no nanamboatra an’ireny zavamaneno ireny mba hanaovana hira fisaorana an’i Jehovah,—“fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay”—isaky ny nidera azy niaraka tamin’izy ireo* i Davida. Ary nitsoka trompetra+ mafy be teo anoloan’izy ireo ny mpisorona, raha mbola nitsangana teo ny Israelita rehetra.

  • Ezra 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Jehovah ny mpanorina.+ Dia nijoro teo mba hidera an’i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita taranak’i Asafa, araka ny toromarik’i Davida mpanjakan’ny Israely. Nanao akanjona mpisorona ny mpisorona tamin’izay sady nitondra trompetra,+ fa ny Levita kosa nitondra kipantsona.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara