-
Eksodosy 18:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Mila mifidy lehilahy avy amin’ny vahoaka anefa ianao, dia lehilahy mahay,+ matahotra an’Andriamanitra, azo itokisana, ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina.+ Dia tendreo ho lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo+ izy ireo. 22 Izy ireo no hitsara ny vahoaka rehefa* misy raharaha tsy mampifanaraka azy ireo. Dia hoentiny eo aminao izay raharaha sarotra rehetra,+ fa ny raharaha tsotsotra rehetra kosa hotsarainy. Ataovy izay hahamaivana kokoa ny andraikitrao, ka asaivo miara-miasa aminao izy ireo.+
-