FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Nifidy lehilahy mahay teo amin’ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ireo ho lohandohany teo amin’ny vahoaka, dia lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo.

  • Nomery 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ireo no voantso avy amin’ny vahoaka. Samy mpiadidy+ eo amin’ny fokon’ny rainy izy ireo, sady mpifehy ny arivo eo amin’ny Israely.”+

  • Josoa 22:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nirahin’ny Israelita i Finehasa+ zanak’i Eleazara mpisorona, mba hankany amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tany Gileada. 14 Nisy mpiadidy folo niaraka taminy, dia mpiadidy iray isaky ny foko rehetra teo amin’ny Israely. Samy lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely, izay voatsinjara ho arivo isan-tokony, izy ireo.+

  • Josoa 23:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 dia nantsoiny ny Israely rehetra,+ izany hoe ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin’izy ireo ary ny mpitsara sy ny mpiadidy teo aminy.+ Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Efa antitra sady mandroso taona aho.

  • 1 Tantara 27:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Nisy 24 000 ny Israelita tao amin’ny antoko-miaramila tsirairay. Anisan’izy ireo ny lohan’ireo fianakaviambe, ny lehiben’ny arivo, ny lehiben’ny zato,+ ary ny mpifehy izay nanompo ny mpanjaka+ ka nikarakara ny raharaha rehetra momba an’ireo antoko-miaramila. Nifandimby isam-bolana ireo antoko-miaramila ireo nandritra ny volana rehetra amin’ny taona.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara