-
Eksodosy 23:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Fa handeha eo alohanao ilay anjeliko ka hitondra anao ho any amin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita, ary ny Jebosita, dia haringako ireny.+
-
-
Deoteronomia 7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+
-
-
Deoteronomia 20:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.
-