-
Deoteronomia 1:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia nakan-dry zareo ny vokatr’ilay tany, ka nentiny tany amintsika. Ary nanao tatitra tamintsika ry zareo hoe: ‘Tsara ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitsika antsika.’+
-
-
Deoteronomia 8:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8 Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+
-