40 Ary izao no hampiarahina amin’ilay ondrilahy kely voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto, sy divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro.
2“‘Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.+
11 “‘Tsy tokony hasiana lalivay izay fanatitra varimbazaha hatolotrareo ho an’i Jehovah,+ satria na ny lalivay na ny tantely* dia tsy tokony hodoranareo hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.