FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 29:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Izao no hataonao hanamasinana azy ireo mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako: Makà vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy roa samy tsy misy tsininy,+ 2 sy mofo tsy misy lalivay, sy mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka,+ ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka. Lafarinina varimbazaha tsara toto no hanaovanao an’ireo mofo ireo. 3 Dia ataovy ao anaty harona ireo, ka ao anatin’iny no hanolorana azy.+ Atolory koa ilay ombilahy sy ireo ondrilahy roa.

  • Levitikosy 6:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara. 15 Ny iray amin’izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran’ny tanan’ila avy amin’ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin’ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin’ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra* mba ho santionany* amin’ilay fanatitra ho an’i Jehovah.+

  • Nomery 7:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ny fanatitra nataony dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely,* sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,*+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara