-
Levitikosy 6:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.
-
-
Nomery 28:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, isaky ny voalohan’ny volana: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito tsy misy kilema herintaona avy.+ 12 Ny vantotr’ombilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+ Ilay ondrilahy kosa hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+
-
-
Nomery 29:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ireo no hatolotrareo, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra isam-bolana sy ny fanatitra varimbazaha hampiarahina aminy,+ ary ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy.+ Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo,+ araka ny efa fanao, mba ho hanitra mahafinaritra,* ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
-