-
Levitikosy 24:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Asaivo mitondra menak’oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto ny Israelita, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+ 3 Eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona, ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, manomboka amin’ny hariva mandra-paharainan’ny andro. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo rehetra.
-
-
Nomery 3:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 I Eleazara+ zanak’i Arona mpisorona no lehiben’ny mpiadidy teo amin’ny Levita. Izy no mpiandraikitra an’izay nanana andraikitra tao amin’ny toerana masina.
-