-
Eksodosy 27:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Omeo baiko ny Israelita hitondra menaka tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+ 21 Eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona sy ny zanany lahy ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, manomboka amin’ny hariva ka mandra-paharainan’ny andro.+ Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany, ary harahin’ny taranak’izy ireo koa.+
-
-
Nomery 8:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Teneno i Arona hoe: ‘Rehefa mandrehitra an’ireo jiro fito ianao, dia ataovy manazava ny faritra eo anoloan’ny fitoeran-jiro ilay izy.’”+
-