-
Josoa 12:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nandresy an’ireo mpanjaka tao amin’ilay tany ny Israelita, ka nalain’izy ireo ny tanin’izy ireny, izay teny atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, manomboka eo amin’ny Lohasahan’i* Arnona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy ny ilany atsinanana amin’i Araba manontolo.+ Ireto avy izany mpanjaka izany: 2 I Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, izay nipetraka tao Hesbona. Nanjaka tao Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona izy.+ Avy eo afovoan’io lohasaha io ny faritra nanjakany, ka hatrany amin’ny antsasak’i Gileada eo amin’ny Lohasahan’i* Jaboka, izay sisin-tanin’ny Amonita.
-