FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 22:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nisy olona nirahiny ho any amin’i Balama zanak’i Beora, izay nipetraka tany amin’ny tanindrazany tany Petora,+ teo amoron’ilay Renirano.* Nampiantso azy i Balaka sady niteny hoe: “Misy vahoaka iray izay, nivoaka avy tany Ejipta ka mandrakotra ny tany,*+ ary mipetraka tandrifiko mihitsy izao ry zareo. 6 Koa mba tongava re atỳ e! Dia ozòny io vahoaka io,+ fa mahery noho izaho izy. Amin’izay aho mety handresy azy dia handroaka azy hiala eto amin’ny taniko. Fantatro tsara mantsy hoe izay tsofinao rano dia tena mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa dia tena voaozona.”

  • Nomery 23:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanao an’izao oha-pitenenana izao i Balama:+

      “Nalain’i Balaka mpanjakan’i Moaba avy any Arama aho,+

      Avy any amin’ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy:

      ‘Tongava atỳ hanozona an’i Jakoba.

      Tongava atỳ hanameloka an’i Israely.’+

  • Nomery 23:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona ity ataonao amiko? Nentiko atỳ ianao mba hanozona ny fahavaloko, nefa vao mainka indray ianao mitso-drano azy!”+

  • Nomery 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia tezitra be tamin’i Balama i Balaka. Sady tezitra izy no nitehaka, dia niteny tamin’i Balama hoe: “Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao,+ nefa vao mainka ianao nitso-drano azy intelo be izao.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara