-
Nomery 22:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia hoy i Balama tamin’ilay tena Andriamanitra: “Olona nirahin’i Balaka zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, hankatỳ amiko ireo, hilaza hoe: 11 ‘Mandrakotra ny tany* ilay vahoaka nivoaka avy tany Ejipta. Koa tongava atỳ ka ozòny ireo.+ Amin’izay mba mety ho vitako ny hiady aminy sy handroaka azy.’”
-
-
Nomery 23:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona ity ataonao amiko? Nentiko atỳ ianao mba hanozona ny fahavaloko, nefa vao mainka indray ianao mitso-drano azy!”+
-
-
Nehemia 13:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tamin’izay andro izay dia novakina ny bokin’i Mosesy, ary nihaino ny vahoaka.+ Voasoratra tao fa tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ilay tena Andriamanitra+ mihitsy ny Amonita sy ny Moabita.+ 2 Tsy mba nitsena ny Israelita mantsy izy ireo sady tsy nanome mofo sy rano azy. Nanakarama an’i Balama kosa izy ireo mba hanozona azy,+ nefa novan’Andriamanitray ho tsodrano ilay ozona.+
-