-
Nomery 16:39, 40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Nalain’i Eleazara mpisorona àry ny fitondrana afo varahina nentin’ireny olona kilan’ny afo ireny. Dia nokapokapohiny izany ka nataony takelaka manify, dia napetany teo amin’ny alitara, 40 araka izay notenenin’i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Mosesy. Natao hampahatsiahivana ny Israelita izany hoe tsy misy mahazo mandoro emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah ny olona tsy nahazo alalana*+ sady tsy anisan’ny taranak’i Arona. Natao hampahatsiahivana ny Israelita koa izany hoe tsy misy olona tokony hanao hoatran’ny nataon’i Kora sy ny mpanohana azy.+
-
-
2 Tantara 26:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Vao natanjaka anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, dia niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra.+
-
-
2 Tantara 26:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nanohitra an’i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah.+ Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak’i Arona+ sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin’ity toerana masina ity fa nivadika tamin’Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao ataonao izao.”
-