-
Eksodosy 32:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary hoy izy tamin’ireo: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Raiso ny sabatrareo, dia tetezo ny toby manontolo ka idiro ny vavahady rehetra. Dia samia mamono ny rahalahiny sy ny mpiara-monina aminy ary ny namany akaiky.’”+
-
-
Levitikosy 10:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanakalahin’i Arona, izany hoe i Eleazara sy Itamara: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo ary aza rovitina ny akanjonareo,+ mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo Andriamanitra. Ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely manontolo, no hitomany an’ireo novonoin’i Jehovah tamin’ny afo. 7 Aza miala eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ianareo sao maty. Efa nasiana menaka masina fanosorana avy amin’i Jehovah mantsy ianareo.”+ Koa nataon’izy ireo izay nolazain’i Mosesy.
-