-
Josoa 13:24-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nomen’i Mosesy lova isam-pianakaviana koa ny fokon’i Gada, dia ny Gadita, 25 ka anisan’ny faritry ny tanin’izy ireo i Jazera+ sy ny tanàna rehetra ao Gileada sy ny antsasaky ny tanin’ny Amonita+ hatrany Aroera, izay tandrifin’i Raba;+ 26 avy eo Hesbona+ ka hatrany Ramata-mizpe sy Betonima, avy eo Mahanaima+ ka hatrany amin’ny sisin’i Debira; 27 ary ny eny amin’ny lohasaha,* dia i Beti-harama, Beti-nimra,+ Sokota,+ Zafona, izany hoe ny sisa tamin’ny faritra nofehezin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona.+ Ary i Jordana no sisin-taniny manomboka eo amin’ny sisiny atsimo amin’ny Ranomasin’i Kinereta,*+ dia ny sisiny eo ampita atsinanan’i Jordana. 28 Ireo rehetra ireo miaraka amin’ny tanàna sy ny tanàna keliny no lova nozaraina tamin’ny Gadita, araka ny fianakaviany avy.
-