-
Nomery 32:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary nanana biby fiompy faran’izay betsaka ny taranak’i Robena+ sy ny taranak’i Gada.+ Dia hitan’izy ireo fa tsara ho an’ny biby fiompy ny tany tao Jazera+ sy ny tao Gileada. 2 Koa nanatona an’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy vahoaka ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, ka niteny hoe: 3 “Tany tsara i Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona,+ Elale, Sebama, Nebo,+ ary Beona,+ 4 izay nataon’i Jehovah resin’ny vahoakan’Israely.+ Tena tsara ho an’ny biby fiompy ilay tany. Izahay mpanomponao koa manana biby fiompy be dia be.”+ 5 Hoy koa izy ireo: “Aleo omena anay mpanomponao ity tany ity, raha mba mety aminao, fa aza asaina miampita an’i Jordana izahay.”
-