-
Deoteronomia 1:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita+ sy ny faritra rehetra manodidina, izany hoe Araba+ sy ny faritra be tendrombohitra, Sefela, Negeba, ary ny morontsiraka.+ Mandehana any amin’ireo tanin’ny Kananita ireo, hatrany Libàna*+ sy ilay renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata.+
-
-
Deoteronomia 11:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ilay tany halehanareo sy halainareo erỳ ampita kosa, dia tany be tendrombohitra sy tany lemaka+ sady be orana avy any an-danitra.+ 12 Tany voakarakaran’i Jehovah Andriamanitrareo tsara io tany io. Eo amin’izy io foana ny mason’i Jehovah Andriamanitrareo, hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.
-