1 Rehefa maty i Mosesy mpanompon’i Jehovah, dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa+ zanak’i Nona sady mpanompon’i Mosesy:+ 2 “Efa maty i Mosesy mpanompoko.+ Miomàna àry hiampita an’i Jordana ianao sy ity vahoaka manontolo ity, ary midira ao amin’ilay tany homeko ny vahoakan’Israely.+