-
Josoa 20:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary ireto avy no nofidin’izy ireo tany amin’ny faritr’i Jordana, atsinanan’i Jeriko: I Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba,* no avy tamin’ny fokon’i Robena; Ramota+ any Gileada no avy tamin’ny fokon’i Gada; ary Golana+ any Basana no avy tamin’ny fokon’i Manase.+
9 Ireo tanàna ireo no nofidina ho an’ny Israelita rehetra sy ho an’ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy.+ Amin’izay izy dia tsy ho faty novonoin’ny mpamaly ra, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+
-