-
Eksodosy 20:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary henon’ny vahoaka manontolo ny kotroka sy ny feon’anjombona, sady hitany ny tselatra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka. Dia nangovitra izy ireo rehefa naheno sy nahita an’izany, ka nijanona teny lavidavitra teny.+
-
-
Hebreo 12:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ianareo mantsy tsy nanatona tendrombohitra azo tsapain-tanana+ sady nirehitra,+ na rahona mainty, na haizina mikitroka, na tafio-drivotra mahery,+ 19 na feon’ny trompetra+ notsofina mafy be, na feo niteny tamin’ny vahoaka.+ Rehefa naheno an’izany feo izany ny vahoaka, dia nitalaho mba tsy hisy zavatra holazaina aminy intsony.+
-