-
Deoteronomia 8:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 “Fa raha sanatria manadino an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka manaraka andriamani-kafa sy manompo an’ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia mampitandrina anareo aho anio fa ho ripaka tokoa ianareo.+
-
-
Deoteronomia 29:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Tandremo àry mba tsy hisy aminareo, na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko, hanana fo ratsy ka hiala amin’i Jehovah Andriamanitsika dia handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny.+ Tandremo koa mba tsy hisy faka mitsimoka ho lasa zavamaniry misy poizina sy mangidy be eo aminareo.+
-