-
Deoteronomia 4:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “Raha miteraka sy manan-jafikely ianareo ka efa ela no nipetraka teo amin’ilay tany, nefa manao ratsy ka manao sary sokitra+ na sarin’inona izany na sarin’inona, ary manao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrareo ka mampahatezitra azy,+ 26 dia hataoko vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany anio, hoe tsy ho ela ianareo dia tsy maintsy ho ripaka eo amin’ilay tany izay halainareo ho anareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho ela velona eo ianareo, fa ho ringana tanteraka.+
-
-
Deoteronomia 30:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Fa raha mivily kosa ny fonao,+ ka tsy mihaino ianao, fa voafitaka ka lasa miankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa ary manompo an’ireny,+ 18 dia lazaiko aminareo androany fa tena ho ripaka ianareo.+ Tsy ho ela velona ianareo eo amin’ilay tany halehanareo eny ampitan’i Jordana izay efa halainareo ho fanananareo.
-
-
Josoa 23:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
-