FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 28:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Hohidiako ny lanitra eo ambony lohanao mba tsy handatsaka orana, ary hataoko tsy mamokatra ny tany eo ambany tongotrao.*+

  • 1 Mpanjaka 8:35, 36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 “Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana+ satria nanota taminao foana izy ireo,+ nefa mivavaka manandrify an’ity toerana ity izy ary manome voninahitra ny anaranao sady miala amin’ny fahotany, satria nataonao izay hahatonga azy hanetry tena,*+ 36 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny an’ny Israely vahoakanao, ary hanoro+ azy ny lalana tsara tokony halehany! Ary andatsaho orana ny taninao+ izay nomenao ho lovan’ny vahoakanao.

  • 2 Tantara 7:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Raha manidy ny lanitra aho ka tsy misy orana, na mibaiko ny valala mba handripaka ny zavamaniry eo amin’ny tany, na mandefa areti-mandringana hamely ny vahoakako, 14 nefa manetry tena+ ny vahoakako izay antsoina amin’ny anarako,+ ka mivavaka sy mitady ahy ary miala amin’ny ratsy fanaony,+ dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny fahotany ary hamerina ny taniny amin’ny laoniny.*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara