-
Nomery 20:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Satria ianareo tsy naneho finoana ahy sady tsy nanamasina ahy teo imason’ny vahoakan’Israely, dia tsy hitondra an’ity fiangonana ity hiditra ao amin’ilay tany homeko azy ianareo.”+
-
-
Nomery 27:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Rehefa hitanao ilay izy, dia hangonina any amin’ny razambenao* ianao,+ hoatran’i Arona rahalahinao.+ 14 Tamin’ilay vahoaka nila ady tamiko tany an-tany efitr’i Zina mantsy, dia nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo, ka tsy nanamasina ahy teo anatrehan’ny vahoaka. Teo amin’ny rano+ tao Meriba,+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina,+ izany no nitranga.”
-
-
Deoteronomia 3:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Mbola tezitra tamiko foana anefa i Jehovah noho ny nataonareo,+ ka tsy nety nihaino ahy. Fa hoy i Jehovah tamiko: ‘Aoka izay! Aza miresaka amiko momba an’izany intsony.
-