FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 27:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima io,+ dia tazano ilay tany homeko ny Israelita.+ 13 Rehefa hitanao ilay izy, dia hangonina any amin’ny razambenao* ianao,+ hoatran’i Arona rahalahinao.+ 14 Tamin’ilay vahoaka nila ady tamiko tany an-tany efitr’i Zina mantsy, dia nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo, ka tsy nanamasina ahy teo anatrehan’ny vahoaka. Teo amin’ny rano+ tao Meriba,+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina,+ izany no nitranga.”

  • Deoteronomia 1:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Tezitra tamiko mihitsy koa aza i Jehovah noho ny nataonareo, ka niteny hoe: “Ianao koa tsy hiditra any,+

  • Deoteronomia 3:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Mbola tezitra tamiko foana anefa i Jehovah noho ny nataonareo,+ ka tsy nety nihaino ahy. Fa hoy i Jehovah tamiko: ‘Aoka izay! Aza miresaka amiko momba an’izany intsony.

  • Deoteronomia 32:51, 52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Nivadika tamiko teo imason’ny Israelita mantsy ianareo roa lahy, teo amin’ilay rano tao Meriba+ any Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina, sady tsy nanamasina ahy teo anatrehan’ny vahoakan’Israely.+ 52 Hitazana an’ilay tany avy eny lavitra ianao, saingy tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny vahoakan’Israely.”+

  • Deoteronomia 34:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary hoy i Jehovah taminy: “Io ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko an’io.’+ Avelako hahita azy io ny masonao, saingy tsy hiampita eny ianao.”+

  • Josoa 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Efa maty i Mosesy mpanompoko.+ Miomàna àry hiampita an’i Jordana ianao sy ity vahoaka manontolo ity, ary midira ao amin’ilay tany homeko ny vahoakan’Israely.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara